ActualitésTatitra

Seychelles : Hikatroka fiaraha-miasa vaovao ny nosy

Hikatroka seha-piaraha-miasa vaovao eo amin’ny tontolon’ny fanabeazana, ny filaminana, ny tanora ary ny fambolena i Seychelles rehefa nifampidinika tamina tompon’andraikitra maro nandritra ny COP27 tao Eygypte ny filoha Wavel Ramkalawan. Anisan’ireo efa fantatra fa tafiditra ao anatin’izany fiaraha-miasa vaovao izany i Tanzanie.

Nifampidinika tamin’ny filohan’i Madagasikara ihany koa ny filohan’i Seychelles nandritra io fotoana io. Niresaka mbola ny volamena 23 kg nahavoarohirohy malagasy 5 sy seychellois 1 tamin’ny volana oktobra 2021 izy ireo ka nilaza ny filohan’i Wavel Ramkalawan nandritra izany fa ho averina amin’i Madagasikara ireo volamena ireo.

http://www.seychellesnewsagency.com/articles/17723/Seychelles%27+President+discusses+new+areas+of+cooperation+with+heads+of+state

Laisser un commentaire