SocialTsidika

Mitohy hatrany ny ezaka amin’ny fanenjehana ireo dahalo.

Tsy ho fongana mihitsy ny ratsy eto amin’ny firenena raha tsy misy ezaka lehibe ataon’ny olom-pirenena tsirairay. Azo sokajiana ho ezaka lehibe ny fanatevenan-daharana ny tafika malagasy, ny fanohanana sy ny fanomezam-baovao ireo efa am-perinasa. Tsy mikely soroka ihany koa anefa ireo mpitandro filaminana satria efa voady natao tamin’ny tanindrazana ny hampandry fahalemana ny tany sy ny fanjakana. Tany Beanana, kaominina Ambakireny, no niseho ny tranga. Nifandona ny miaramila sy ny dahalo ny 27 febroary lasa teo. Miaramila miisa 25 avy ao amin’ny 322ème compagnie ao Ambakireny no nanara-dia ireto dahalo ireto. Dahalo 5 no voasambotra tamin’izany ary fitaovana fampiasany maromaro toy ny basy AK47, mass 36 ary “fusil de chasse”. Tafaporitsaka anefa ny lehiben’izy ireo izay fantatra fa mbola manana basy any aminy any. Tetsy an-kilany ihany koa, avotra sy tafaverina soa aman-tsara ireo nataon’ny dahalo takalon’aina nandritra ny fanafihana. Tsy mijanona hatreo ny ady amin’ny dahalo ary tsy mahakivy ny mpanara-dia izany, izay nampian’ireo fokonolona tao an-tanana. Rahoviana vao ho fongana eto amintsika ny asan-dahalo ? Inona no tena mampirongatra azy ity ?

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire