Ambohimalaza : Dabilio miisa 36 no natolotra ny CEG Andranosoa
Nahazo dabilio miisa 36 avy amin’ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena, ny CEG Andranosoa, ao amin’ny kaominina Ambohimalaza. Naneho ny hafaliana sy ny fankasitrahana ireo avy amin’ny ministera ireo mpianatra sy ny ray amandreny ary ireo mpanabe ao an-toerana nandritra izany fanolorana izany.
« Ao anatin’ny ezaka amin’ny fanatsarana ny fampianarana, rariny tokoa raha omena fitaovana mifanaraka amin’ny filàna sy manaraka ny fenitra ireo mpianatra beazina ety an-tsekoly » hoy ireo tomponandraikitra.
« Maro ireo sekoly mbola mila fanavaozana sy fanatsarana ao anatin’ny kaominina Ambohimalaza. Manantena hitohizan’ny ezaka hatrany ireo ray amandrenin’ny mpianatra ao anatin’izany » hoy i Rova, ray amandrenin’ny mpianatra.
Manaraka ny kalitao sy ny fenitra mifanaraka amin’ny filàn’ny mpianatra ireto fitaovana vaovao ireto, araka ny voalaza. Raha tiana handroso tokoa ny lafin’ny fampianarana, ny fanatsarana eo amin’ny lafin’ny kalitao sy ny fitaovana ampiasain’ireo mpianatra no tokony ampanarahana ny fenitra voalohany.
Manitra Ramanantsoa
