ActualitésTsidika

Ambohimanambola : Hisy ny fifantenana mpilalao baolina kitra handrafitra ny ekipa kaominaly 2023

Hiroso amin’ny fifantenana ireo ekipa handrafitra ny ekipa kaominaly, ho an’ny taona 2023, amin’ny taranja baolina ny kitra, sokajy lehilahy, ny ao amin’ny kaominina Ambohimanambola, amin’ny volana desambra izao. Nisy ny filazana mahakasika izany, nataon’ny tomponandraikitra, hiantsoana ireo mpitia baolina kitra ao anatin’ny kaominina.

« Ao anatin’ny fanomezana lanja ny tontolon’ny fanatanjahantena, omena sehatra manokana ireo mpitia ny taranja baolina kitra ato anatin’ny kaominina. Tsara marihina anefa fa ireo mpilalao manana karatra tamin’ny lalao coupe du maire 2022 izay notanterahana tamin’ny volana jolay teo no afaka mandray anjara amin’ny fifantenana » hoy ireo tompon’andraikitra ao amin’ny kaominina.

« Maro ireo tanora, mpilalao ary mpankafy ny taranja baolina kitra no liana amin’ny fifantenana tahaka izao. Anisan’ny mampisondrotra ny lentan’ny mpilalao izany. Hisaorana ny kaominina amin’ny fikarakarana izany fa efa ela no niandrasana izany izahay » hoy i Safidy, mpilalao baolina kitra.

Efa ao anatin’ny fikarakarana isan-karazany mahakasika ity fifantenanana ity amin’izao fotoana izao ny kaominina. Araka ny voalaza hatrany, ho tanisaina miandalana ny fandaharam-potoana sy ny toerana hanatanterahana izany.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire