SocialTatitra

Guinée : Mitohy ny fanaovam-baksiny entina hiadiana amin’ny aretina Ebola

Efa natomboka ny talata 23 febroary teo ny fampielezan-kevitra mahakasika ny fanaovam-baksiny entina miady amin’ny aretina Ebola tao Guinée, hoy ny minisitry ny fahasalamana any an-toerana. Herinandro mahery izao no nahitana trangan’ity aretina ity indray tao an-toerana. Mbola mitohy hatrany ny fanomezana izany vaksiny izany ho an’ireo mponina any an-toerana. Mbola misy anefa ny fotodrafitrasa tokony hatao manoloana izany. Jiro manodidina ny 196 500 no mbola tokony hapetraka ao amin’ny tananan’I Luanda, Benguela, Huila sy Huambo entina hanamorana ny fanaovana vaksiny ireo mponina amin’ireo toerana ireo. Hatreto, mbola herin’ny rano no mamatsy jiro ao Angola. Mbola sarotra ihany koa ny fitanterana, ny fizarana ary ny famatsiana ny vola lany amin’ny fanamboarana. Mitentina 250 tapitrisa dolara (75 000 tapitrisa ariary) ny vola nomen’ny banky iraisam-pirenena hanampiana amin’ny fanamboarana io tetikasa io. 167 tapitrisa dolara (manodidina ny 500 000 tapitrisa ariary) ihany koa no nomen’ny avy amin’ny sampana fampandrosoana frantsay. Latsaky ny 40% ny mponina ao Angola mahazo herinaratra. Miantraika lehibe amin’ny fiainan’ny mponina ao an-toerana io tsy fahampiana herinaratra io. Indrinda ho an’ireo toeram-pitsaboana.

Laisser un commentaire