Maurice : Hifantoka bebe kokoa amin’ny tanjon’ny fampandrosoana maharitra ny oniversite ao an-toerana
Nasokafan’ny oniversiten’ny Maurice ny 7 novambra teo ny herinandro natokana ho an’ny fikarohana. Andiany faha-14 ny hetsika izany izay tsy hifarana raha tsy ny 11 novambra izao. Kendren’izy ireo amin’ity andiany ity ny hanaparitaka tetikasa fikarohana.
Mifantoka amin’ny fampiroboroboana ny fikarohana amin’ny alàlan’ny tanjona fampandrosoana maharitra ho an’ny fahaleovan-tenan’ny fiaraha-monina no lohahevitra napetraka tamin’ity taona ity. Notontosaina tao amin’ny New Academic Complex ny oniversite ny fanokafana ny hetsika izay natrehan’ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena, Leela Devi Dookun-Luchoomun sy ny vahiny manokana Aruna Radhakeesoon, mpisolovava, mpanorina sy talen’ny Prakriti One Ltée.
