Manjakandriana: Nahatrarana voly rongony 400 fototra tao Miadanandriana
Nanao fiasafoana ny Zandary avy ao amin’ny Tobim-paritry ny Zandarimariam-pirenena Mantasoa. Tratra tao amin’ny fokontany Mioridrano, ao amin’ny Kaominina Miadanandriana ny fototra rongony miisa 400 ary milanja 33 kilao. Nogiazana avy hatrany ireto rongony ireto ary nodorana raha hatao andrimaso noho izany ny tovolahy iray 33 taona mpamboly ireo rongony ireo. Izao hetsika izao moa dia tafiditra ao anatin’ny fametrahana ny fandriam-pahalemana tsara tantana. Hangatahana fiaraha-miasa avy amin’ny mponina hatrany izany mba hanamorana ny fanagiazana ireny.
