Dépêches

Lalam-be migodana : Vita ny fifanaovan-tsonia fiaraha-miasa, nivoaka ny teti-bola hanatanterahana izany

Dépêche 04 novembre, 16h, Vita omaly ny fifanaovan-tsonia fifanarahana teo amin’ny Minisitry ny asa vaventy sy ny mpandraharaha izay nahazo ity asa goavana ity. Hatomboka tsy ho ela ny asa noho izany raha afaka roa herinandro dia efa hapetraka ny vato fototra hanamarihana ny fanombohan’ny asa izay mety haahritra eo amin’ny 4 taona eo ho eo. Vinavinaina ho eo amin’ny 924 tapitrisa dollars eo ho eo ny teti-bola hanamboarana izany lalambe migodana izany. Mitsinjara ho toy izao izany : ny 20% no iantohan’ny fanjakana, fa ny 80% kosa dia avy amin’ireo mpiara miombon’antoka. Toy ny lalambe migodana rehetra dia handoavam-bola ny mampiasa izany lalana izany izay mbola tsy voafaritra hatreto.

Laisser un commentaire