La Réunion : Teratany roa tao an-toerana no nahazo medaly tamin’ny fifaninana « Jiu-Jitsu Brésilien »
Teratany Réunionnais roa no nandray anjara tamin’ny fiadiana ho tompondaka eran-tanin’ny « Jiu-Jitsu Brésilien » tao Abu Dhabi. Nitondra ny medaly volamena nody tamin’izany i Rayhane Ibouroi izay tompondaka eran-tanin’ny « Jiu-Jitsu Brésilien » sokajy « cadet » latsaky ny 48 kg raha nitondra ny medaly varahana kosa i Ismaël Abdallah « cadet » latsakin’ny 55 kg.
Samy mpikamba ao amin’ny klioba « Judo Club Municipal de Saint-Denis » izy mianadahy ireo, izay 16 taona monja. Raha tsiahivina koa dia efa nahazo ny anaram-boninahitrin’ny taranjany nandritra fifaninana tao Europe i Rayhane Ibouroi ny volana aprily teo.
