ActualitésTatitra

Maurice : Homen-danja indray ny fiteny « créole »

Nanapa-kevitra ireo mpiaro ny fiteny « créole » fa homena ny toerana tsara kokoa eo amin’ny sehatrin’ny kolontsaina sy ny fanabeazana izany. Nanao fanambarana ny fikambanana « Lédikasyon pu travayer » fa hikarakara kongresy izy ireo ny volana oktobra 2023 izao manoloana ny fampiasana io fiteny io eo amin’ny tontolon’ny fanabeazana, ny fitsarana ny asa fanaovan-gazety. Ny « créole » mantsy no fiteny tena iombonan’ny mponin’i Maurice raha ny fanazavan’izy ireo.

Mikasa ny hikarakara atrikasa hanamboarana ny tsipelina sy fitsipi-pitenenana ihany koa izy ireo. Mandray soso-kevitra avy amin’ny firenena vahiny i Maurice manoloana izany indrindra avy amin’ireo firenena « créolophone » aty amin’ny ranomasim-be indianina toy i la Réunion sy Seychelles.

Laisser un commentaire