ActualitésTatitra

Seychelles : Firenena afrikanina antenaina hahatratra ny tahan’ny toe-karena ambony amin’ny 2022-2023

Raha ny tatitrin’ny FMI dia i Seychelles no firenena antenaina hahatratra ny tahan’ny toe-karena ambony indrindra aty Afrique amin’ity taona 2022 sy 2023 ity. Hisongona an’i Niger sy Egypte izy ary heverina fa hahatratra ny laharana fahadimin’ny Top 10 aty amin’ny kaontinanta arakin’ny UEMOA.

Anton’io famisavisana io ny fahatratran’i Seychelles ny tahan’ny toe-karena ambony indrindra tamin’ity taona ity. Heverina fa hahatrara ny taha ara-toekarena 10,9% amin’ity taona ity io vondronosy io arakin’ny FMI. Anisany nampiakatra vetivety io taha io kosa ny sehatrin’ny fizahan-tany.

Niger kosa ho heverina fa hahatratra ny taha ambony indrindra faharoa amin’ity taona ity (6,7%), arahin’i Egypte (6,6%), Soudan du Sud (6,5%), Maurice sy République Démocratique du Congo (6,1%), Rwanda (6%), Guinée équatoriale (5,8%) ary Bénin (5,7%).

Laisser un commentaire