Maurice : Hampiantrano ny fihaonambe ara-toekarena afrikanina 2022 ny nosy
Hotontosaina ao Port-Louis ao Maurice ny 9 hatramin’ny 11 desambra izao ny andiany faha-22 ny fihaonambe ara-toekarena afrikanina 2022 (AEC). Ny fiovan’ny toetry ny andro no lohahevitra hobanjinina amin’izany : « Soutenir un développement sensible aux changements climatiques en Afrique ».
Seha-pifanakalozan-kevitra lehibe indrindra momba ny fanamby sy ny « opportunités émergents » aty amin’ny kaontinanta afrikanina ny AEC. Ny BAD (Banque africaine de développement), CNUCED (Commission économique des Nations unies pour l’Afrique) ary ny PNUD (Programme des Nations unies pour le développement) no mikarakara azy.
