Ambohimangakely : Nandray andraikitra ireo mpitandro ny filaminana nandritra ny andron’ny 01 Novambra
Nisy ny fandraisana andraikitra nataon’ny avy eo anivon’ny mpitandro filaminana nandritra ny fankalazana ny andron’ny 01 Novambra, teo amin’ny lafin’ny fifamoivoizana sy ny fivezivezen’ny mponina, tao amin’ny kaominina Ambohimangakely. Nilamina ny fankalazana izany andro izany, araka ny voalaza.
« Manao ezaka hatrany ny mpitandro filaminana ary miara miasa hatrany ny polisy sy ny zandary ato anatin’ny kaominina amin’ny fandaminana sy ny fametrahana fepetra entina handrindrana ny mpampiasa ny lalana sy ny fametrahana fandriampahalemana amin’ny fotoana toa izao. Ny vahoaka miara-miasa aminay, manaiky ny fandaminana no mampirindra izany » hoy ireo mpitandro ny filaminana.
« Tokony ho isan’andro no miasa mametraka ny fandaminana hialana amin’ny tsy fanarahan-dalàna ataon’ny mpitatitra sy ny mpampiasa lalana hafa ny mpitandro filaminana. Anisan’ny manome vahana ny tsy fanarahan-dalana ny tsy fahampianan’ny mpitandro filaminana miasa amin’ny andavanandro, manara-maso ny zava-misy ataon’ny mpitatitra » hoy i Solofo, mpivarotra enta-madinika ao Ambohimangakely.
Anisan’ny mitondra fandriam-pahalemana ary manentana ny rehetra amin’ny fanarahan-dalàna ny fametrahana ny mpitandro filaminana amin’ny toerana tokony hisy azy, ary manao ny andraikitra maha mpitandro filaminana azy. Tokony ahetsika matetika araka izy ireny, mba hampisy fandriampahalemana tokoa, indrindra amin’ny andavanandron’ny mponina.
Manitra Ramanantsoa
