ActualitésTatitra

France : Ankohonana iray hita faty tao Carantec

Mpivady 38 sy 41 taona ary ny zanany vavy roa 8 sy 11 taona no hita faty tao an-tranony ao Carantec, Finistère, ny 30 oktobra teo. Ny renin’ilay renim-pianakaviana no nampandre ny manam-pahefana tsy tsy nahare vaovao momba azy ireo.

Rehefa tonga tao amin’ny trano fonenan’io ankohonana io ireo manam-pahefana dia nahita fatin’ilay raim-pianakaviana nihantona tao ambany rihan’ny trano. Tao amin’ny hefitr’izy mivady kosa no nahitana ilay renim-pianakaviana ary tao ao amin’ny hefitranony samy tao amin’ny fandrinany avy no nahitana ireo ankizy.

Tsy nisy nahita ratra na fampiasana basy ny vatan’izy 4 mianaka ireo. Tsy nikorontana ihany koa ny trano ka heverin’ireo tompon’andraikitra fa niniana natao io famonoana olona io. Hanatontosa ny fizahana moa ireo manam-pahefana, izay nanamarika fa hita faty tamin’io fotoana io ihany koa ny alikan’io ankohonana io.

Laisser un commentaire