Masindray : Fandresena iray no azon’ny Buffalo tamin’ny lalao « Challenge U17 Orange »
Fandresena tokana no azon’ny Buffalo, avy ao Masindray, nandritra ireo lalao telo nohatrehin’ny ekipa, tamin’ny lalao challenge U17 Orange, niseho tamin’ny faran’ny herinandro iny. Anisan’ny niady mafy ireo ekipa nandritra ireo telo andro nilalaovana. Faharesena roa no hita tao anatin’izany ary fandresana tokana, izay nandreseny ny ekipan’i Elgecoplus tamin’ny isa 1 no 0.
« Mbola mila ezaka betsaka ary tsy atao mahakivy ny voka-dalao izany miseho rehetra. Mbola ilaina hatrany ny fahavononana ary mila miomana tsara hatrany ny mpifaninina rehetra satria mbola misy ny lalao fahavaolonandro izay mbola ho atrehina » hoy ireo tomponandraikitra ao amin’ny klioba.
« Ao anatin’ny ezaka no ahitana fandresena. Mafy avokoa ny fiatrehena ny lalao saingy rehefa tsara fanomanana sy ny fiaraha-mientan’ny mpilalao, afaka mahita vokatra tsara hatrany. Ilaina ihany koa izany hahafahana mampiseho traik’efa sy ny lentan’ny mpifaninana tsirairay” hoy i Tojo, mpankafy baolina kitra.
Taratry ny ho avy ny ezaka atao androany. Anisan’ny hery entina manatsara ny vokatra amin’ny ho avy ny lesoka sy ny faharesena samihafa lalovana. Ilaina ihany koa izany hahafahana maka lesona sy mandray fepetra ho an’ny fanomanana amin’ny lalao manaraka.
Manitra Ramanantso
