Bulgarie : tsy misy intsony ny fanavakavahana, misokatra amin’ny rehetra ny fanaovam-baksiny
Misokatra ho an’ny rehetra amin’izay ny fanaovana vaksiny ao Bulgarie. Porofon’izany ny fanaovan’ny mpitsabo mpisotro ronono iray, 93 taona vaksiny niaraka tamin’ny zafikeliny 21 taona. Raha nohavahana ny salan-taonan’ny olona afaka manao ny vaksiny fanefitry ny covid-19 teo aloha, tsy misy intsony izany amin’izao fotoana. Iray volana taorian’ny fifidianana solombavam-bahoaka tao an-toerana no nanadraisana ity fanapahan-kevitra ity rehefa resy lahatra ireo olona rehetra ny amin’ny fahombiazan’ny vaksiny fanefitry ny coronavirus. Mitotaly ho 150 000 ireo mponina a Bulgarie efa vita vaksiny amin’izao fotoana. Mbola 2,1% amin’ireo mponina rehetra anefa izany ka mbola mitohy ny ezaka. Voasokajy ho isan’ny ifrenena mahantra indrindra amin’ny vondrona eropeana I Bulgarie. Betsaka ny mponina ao an-toerana nefa ambany ny taham-panaovam-baksiny manoloana ny valanaretina covid-19. Tsy ny mponina rehetra no afaka noresena lahatra ny amin’ny hanaovana vaksiny indray ireo olona maherin’ny 65 taona any an-toerana. Ao ireo miahiahy taorian’ny fiovan-kevitra tampoka noraisin’ny mpitondra na dia efa teo azan y fandresen-dahatra natao. Hiezaka hatrany anefa izy ireo raha arak any vaovao ny hanao izay ahavitan’ny mponina ao Bulagarie rehetra vaksiny. Hatramin’ny alatsinainy 22 febroary lasa teo no efa nanomboka nisokatra tsikelikely ireo toeram-pisakafoanana sy ireo toeram-pilokana ao Bulgarie. Vinavianaina ihany koa ny hisokafan’ny toeram-pandihizana amin’ny alina amin’ny volana aprily ho avy izao.
