ActualitésTsidika

Polisim-pirenena : Manana teny filamatra vaovao, izay nankatoavin’ny filan-kevitry ny Minisitra

« Polisim-pirenena miaro sy manampy ny vahoaka ». Izany indray manomboka izao no teny filamatra entin’ny avy ao amin’ny Polisim-pirenena manao ny asany. Raha hitodihana ny farany teo dia hoe « adidy sy hitsim-po » no teny filamatra nentin’izy ireo nandritra ny fotoana naharitra.

« Mila ampifanarahana amin’ny toetr’andro sy ny fanamby ary ny fampanantenana izay nianiananay nandritra ny fotoana nametrahana anay ho Polisy. Io teny izao manambara ny asa sy ny adidy andrasan’ny vahoaka aminay manoloana nyz ava-misy ankehitriny. Io indray izany izao no hijoroanay manomboka eto », hoy ny avy ao amin’ny Polisim-pirenena nandritra ny fanazavana ity teny filamatra vaovao ity.

« Raha hiverenana kely ny tantara dia ny taona 2021 teo no feno 60 taona ny Polisim-pirenena ary io teny io no lohahevitra nentina nanamarihana izany fotoana izany. Hita taratra ao anatin’io teny io ny fahavononana hiasa ho an’ny vahoaka sy ireo paik’ady hiatrehana ny olan’ny tsy fandriam-pahalemana. Izany no antony nitazomana io teny io ho teny filamatra entina miasa indray manomboka eto », hoy hatrany ny fanazavana.

Misy hetsika roa samihafa voarakitra ao anatin’io teny io dia ny hoe “miaro” sy ny hoe “manampy” ka anjaran’ireo Polisim-pirenena no manao izay fomba rehetra hahatanteraka izany. Matoky azy ireo ny vahoaka Malagasy rehetra ao anatin’izany rehetra izany.

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire