ActualitésTsidika

Ambohimanarina: Mpanao sinto-mahery, mpangaro-paosy anaty fiara fitateram-bahoaka tratran’ny polisy

Mpanao sinto-mahery, mpangaro-paosy ary efa mpanaraka olona hatrany anaty fiara fitateram-bahoaka, roa lahy, no tratran’ny polisin’ny CSP6 Ambohimanarina. Mampiasa ireny fitaovana mahery vaika toa ny “big boss” sy ny antsy ireto olon-dratsy rehefa hanao ny asa ratsiny. Teo ampanarahana olona hatrany anaty fiara fitateram-bahoaka ireto farany, izany nikasa ny hanao asa ratsiny  no tratran’ny polisim-pirenena.

“Niditra taxi-be teo Ivandry no narahin’ilay mpanendaka ny ramatoa iray nitondra poketra . Niala teo Ambodimita izy ary teo no nararaotin’ilay mpanendaka nisintonana ny poketrany. Tsy voasinton’ ity mpanendaka anefa ilay poketra fa voatazon’ilay ramatoa mafy ka notifirin’ilay olon-dratsy ny « Big Boss » ny mason’ilay ramatoa ary voatery namotsotra ilay poketra ity farany” hoy ny avy ao amin’ny polisim-pirenena.

“Efa voaomana ilay fanendahana ary efa nisy moto tonga naka an’ilay mpanendaka handositra nitondra azy. Nisy Polisy tsy lavitra nahita ilay tranga ary tonga namonjy ilay ramatoa. Notratrarina avy hatrany ilay mpanendaka sy ilay nitondra moto niaraka tamin’ireo fitaovana sy ny zava-mahadomelina ampiasain’izy ireo amin’ny asa ratsiny” hoy hatrany ny avy ao amin’ny polisim-pirenena.

Mila malina hatrany rehefa eny an-dalana. Efa tsy mifidy ary mahazo vahana ny asa ratsy amin’izao fotoana izao. Ilaina ny mifanampy, indrindra raha misy trangana sinto-mahery sy fanendahana hita maso, tokony hifanampy amin’ny fanenjahana ny mpanao ratsy. Indrindra tsy tokony hadinoina ny miantso mpitandro filaminana.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire