ActualitésTsidika

Toamasina : Hipoka olona ny moron-dranomasina hijery ny fandehan’ny asa sy hisitraka ireo zava-bita

Mahaliana ny olona ny asa fanarenana sy fanamboarana ity moron-dranoamsaina ity ho toy ny any Miami. Taorian’ny fangatahan’ny mponina any Toamasina ny mba ahahita mivantana ny fizotry ny asa dia nisy varavarana nisotraka teo an-toerana ny sabotsy lasa teo ka feno hipôka ny olona hijery ny zava-bita sy hiala voly.

Marihina fa mbola tsy vita tanteraka ny asa fanarenana sy fanavaozana ary fanamboarana fa eo andalam-panaovana izany ireo mpiasa. Nanatanteraka varavarana misokatra kosa ny avy ao amin’ny Sekreteram-panajakana miadidy ny tanàna vaovao sy ny toeram-ponenana ny sabotsy tolak’andro teo. Izany no natao mba hahafahan’ireo mponina ao Toamasina misitraka sy mianoka sahady ny fahatsaran’izany toerana izany.

« Nandritra ny adiny roa izay nisokafan’ny vavahady dia afaka nijery ny toerana, nanandrana ireo fitaovana napetraka, nihaino ny fanazavana mahakasika ny toerana sy ny fitaovana rehetra ireo mpitsidika », hoy ny tompon’andraikitra ny Toeram-ponenana sy ny tanàna vaovao tany an-toerana.

« Tsara ilay toerana, raha oharina amin’ny Miami mety efa manakaiky azy ihany. Sady madio ety no milamina tsara. Taloha tety mikorontana be mihitsy rehefa makety ilay hariva ireny. Izao izy io milamina satria efa voasokajy hoe aiza no ahitana inona. Tsy voatery ireo mpanambola ihany amin’izao no misitraka zavatra tsara sy mahafinaritra toy izao fa efa ny olona rehetra tsy ankanavaka », hoy i Fiderana, mponina ao Toamasina, tonga nitsidika ny fandrosoan’ny asa.

Mba tsy ho tompontrano mionona ireo mponin’ny Toamasina ireo no antony nanatanterahina izao varavarana misokatra izao ka navela mihitsy ho izy ireo no ahita mivantana ny zava-misy. Homarihina fa raha tetik’asa “Miami” izany hoe ho toy ny any Etats-Unis no noeritreretin’ny olona rehetra dia « tetik’asa MIray HIna ary MIfankatia » no tena anaran’ity tetik’asa ity. Ny fotodrafitr’asa tsara toy izao dia ilaina fanaraha-maso lehibe mihitsy satria fananana iombonana ka rariny rahab misitraka izany avokoa ireo Malagasy rehetra sy ireo taranaka any aoriana. Mila hapetraka tsarta ny fifampitondrana amin’itony toerana itony ka tokony hanaraka izany avokoa ny olon-drehetra. 

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire