CNaPS : Hanome fampiofanana ho an’ireo tsy an’asa
Mbola ao anatin’ny fanarenana ny fatiantoka very tamin’ny fihibohana ny ankabeazan’ny orinasa. Apetraky ny eo anivon’ny CNaPS ho laharam-pamehana ny mpikambana eo aminy. Maro amin’izy ireo anefa no very asa nandritran’ny fotoanan’ny Coronavirus ny taona lasa teo. Niteraka fahasahiranana lalina ho an’ny mponina ny tsy fananana asa. Ny orinasa sasany koa anefa mbola eo ampitadiavana famatsiam-bola amin’ny hanavaozana indray ny asany. Nandray ny andraikiny manoloana ny zava-misy ny teo anivon’ny CNaPS, ho fanampiana ireo olona tena hita fa very asa nandritran’ny covid-19. Tena ilain’ny mpitady asa ankehitriny ny fiofanana izay karakarain’ny Cnaps sy ny “Chambre de Commerce et d’Industrie France –Madagasikara“ na ny CCIFM. Ity farany izay misehatra eo amin’ny tontolon’ny varotra sy ny orinasa frantsay.Mahakasika ny fanomanana azy ireo ara-tsaina sy ara-teknika ny fiofanana izay hotanterahina. Homena azy ireo maimaimpoana ihany koa ny fomba hatao rehefa manao taratasy fitadiavana asa, ny fomba handresena lahatra ny orinasa iray, ireo karazana asa efa misy. Efa maherin’ny 376 ireo olona efa nahazo tombotsoa tamin’izany fihofanana izany. Olona efa mpikambana tao amin’ny CNaPS ihany moa no ahazo izao fihofanana izao.Tanjona ny afahan’ny mpiasa indray manohy ny fitadiavany asa sy hahombiazany eo amin’izany sehatra izany.
Fanilo Rarivoarilala
