ActualitésTsidika

Itaosy : Toeram-pivarotana iray nahatratrarana entana simba

Nandritra ny fandehanana an-tsehatra nataon’ny mpanara-maso avy amin’ny ministeran’ny varotra sy ny indostria ary ny fanjifana no nahatratrarana tsenam-barotra iray tao Ambonisoa Bemasoandro Itaosy, nivarotra entana efa tsy simba tsy tokony amidy intsony, ny alarobia lasa teo. Ankoatra ny entana efa simba, tsy voahaja ihany koa ny feepetra napetraky amin’ny fanarahana ny fenitry ny fitahirizana entana fihinana.

« Maro ireo tsena sasany no ahitana tranga toa izany. Misy entana tsy tokony efa amidy fa mbola varotan’ireo mpivarotra ihany, ka rehefa tsy mijery tsara ny mpanjfa dia mihinkinam-poana. Ilaina fitandremana ny fiantsenana amin’izao fotoana izao, indrindra fa ireo sakafo voatahiry anaty boaty » hoy i Tsitohaina, mpianatra amin’ny ekonomia.

« Zava-doza ho an’ny fahasalamana ny fihinana sakafo efa simba na lany daty. Tokony hitandrina, indrindra ireo ray amandreny, manamarina ny sakafo hohanina, indrindra fa amin’ny ankizy. Ny tsy fahafehezana izany matetika no mitondra amin’ny fanapozinana ara-tsakafo » hoy i Antsa, mpiofana momba ny sakafo.

Ilaina tokoa ny fitsirahana tampoka eny anivon’ny tsenam-barotra mba hamaizana sy hanatratrarana ireo tsy manara-dalàna, ny fanarahanaraha-maso ny vidin’entana sy entana amidy eny an-tsena no anisan’ny manampy ny mpanjifa amin’ny tsy rariny ataon’ny mpivarotra sasany.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire