TSY FANDRIAM-PAHALEMANA: Tratra ambody omby ny mpanao ratsy taorian’ny hetsika naton’ny mpitandro ny filaminana
Anisan’ny mampikaikaika ny mponina sy ireo mpiantsena eto Antananarivo ireo tonta kely sy mpanao haro-paosy indrindra amin’iny faritra Isotry sy 67ha ary Analakely sy Behoririka iny. Efa andian’olona mihitsy izy ireo ary mian-dahy miam-bavy.
Tovolahy mpangarom-paosy no tratran’ny polisy nanao fanamina sivily teny Isotry ny marainan’ny omaly talata. Finday miisa telo no tratra teny aminy tamin’izany. “Anisan’ny paikady mahomby entina miady ireo mpanao tonta kely eto andrenivohitra amin’izao fotoana izao ny fanaovana fanamiana sivily. Nahitam-bokany satria efa maro izy ireo no tratra teny amin’ireo faritra mamay amin’ny asa fanendahana sy mangaro-paosy” hoy ny tomponandraikitra ao amin’ny polisim-pirenena. “Ny vahoaka moa tena mikolay amin’ity tsy fandriam-pahalemana ity, na aiz na aiza aleha na inona atao na inona entina dia tratran’izy ireo foana. Tsy misy afa-tsy ny mitandrian sy mailo no azo atao amin’izao” hoy Hery mpianatra amin’ny anjerimanontolo.
Misy hatrany ny fametrahana poste avancé isaky ny fokotany eto an-drenivohitra entina hanamorana ny fisamborana ireo mpisinto-mahery. Anisan’ny ezaka goavana mila tratrarina ny famongorana ireny mpangaro-paosy ireny mba hisian’ny filaminana indrindra amin’izao fidiran’ny mpianatra izao, maro ny olona mivezivezy.
Miora Fiononantsoa
