Vontovorona : Fa maninona no tsy mety mivaha ny olana ?
Nanao fihetsiketsehana mitaky ny fandoavana ny vatsim-pianarana indray ireo mpianatry ny oniversite eny Vontovorona omaly. Ny fahataran’ny fandoavana ny vatsim-pianarana no voalaza ho anton’izany fihetsiketsehana izany.
« Efa ho telo volana izao izahay no tsy nandray vatsim-pianarana, miandry hetsika ataonay mpianatra foana ve izany vao mba mandray ny andraikiny ny tompon’andraikitra. Miandry ela izahay mpianatra amin’ny fandoavana ny vatsim-pianarana kanefa tokony mandritra ny taom-pianarana no hanefana izany, ilaina ho an’ny fiofanana sy ny asa fikarohana ka tsy tokony ampiandrasana ela izahay », hoy i Rija, mpianatra eny Vontovorona. « Misy ny fandaminana arahina amin’ny fandoavana ny vatsim-pianarana, izay no antony mahatonga ny fahatarana amin’ny fandoavana ny vatsim-pianaran’ny mpianatra. Tokony ary mangataka ireo mpianatra mba hiandry am-pitoniana izany fotoana izany » hoy ny tompon’andraikitra avy eo anivon’ny paositra”.
Ankoatra izao zava-misy eny vontovorona izao, efa re manambana ihany koa ny fitokonana ataon’ny mpianatra eny Ankatso. Miantso ny tompona’andraikitra itondra vahaolana amahana izany araka izany ireo mpianatra.
Manitra Ramanantsoa
