Iza no tompon’antoka amin’ny fahataran’ny vatsim-pianarana ?
Mitaraina avokoa ny mpianatra manerana ny nosy amin’ny vatsim-pianarana mbola tsy azo hatramin’izao. Raha nanao fitokonana ny mpianatra vao taitra ny tompon’andraikitra ny amin’ny famoahana izany. Raha ho an’i Toamasina manokana izao niara-naheno iny tranga tamin’ny herinandro iny isika, izay nahafatesana mpianatra nandritra ny grevy nataon’izy ireo. Ny harivan’iny ihany anefa dia nivoaka ny vatsim-pianarana iray volana miampy ny fampitaovana ho an’ny mpianatra. Ilay faty olona izany no tena nampikoropaka azy ka namoaka haingana ilay vatsim-pianarana ? Raha ny Oniversiten’Antananarivo manokana anefa dia tsy mbola nivoaka ofisialy izany ? Miandry inona indray ary vao hikoropaka ? Mametra-panontaniana ny rehetra hoe iza no tompon’andraikitra amin’ny famoahana io vatsim-pianarana io. Nilaza ny avy ao amin’ny Ministera miandraikitra ny fmpianarana ambony fa efa nomen’izy ireo mialohan’ny taom-pianarana izany fa ny avy ao amin’ny Oniversité no tompon’anjara amin’ny fitsinjarana azy. Mangataka ny ialan’ny filohan’ny Oniversiten’i Toamasina ireo mpianatra any an-toerana. Inona tokoa ary no antony tsy hamoahana izany vatsim-pianarana izany amin’ny ara-dalàna ?
Nicole Rafalimananjara
