Ambohimalaza : Nisy ny fampisehoana izay niarahana tamin’i Mr Sayda
Nisy ny seho sehatra niarahana tamin’i Mr Sayda tao Ambohimalaza ny alahady 21 aogositra 2022 lasa teo. Marihina moa fa tsy vao sambany ny mpanankato no nanao fampisehoana tany Ambohimalaza fa efa nisy ihany izany teo aloha. « Tena nahafinaritra tokoa ny seho sehatra netin’i Mr Sayda nanafanana ny fampisehoana » hoy i Felana. Maro tamin’ireo ankizy afa-panadinana ihany koa moa no tena nanararoatra nifaly tamin’izany.
Ny fampisehoana ataon’ireo mpanankanto dia entina hatrany hampivoarana ny zavan-kanto Malagasy. Nahazo olona maro tokoa ny mpanankanto tamin’izany fampisehoana izay nataony izany. Hiatsara hatrany anie zavan-kanto Malagasy.
Famenontsoa Rajerison
