Actualités

Ambohimanambola : Nisy ny fifaninanana coupe omby senior

Nisy ny fifaninana grand open coupe omby senior foot à 7 omaly tao amin’ny stade Papmad Ampahimanga Ambohimanambola. Marihina fa efa misy matetika ity fifaninana ity hoy Cinè izay tompon’andraikitra amin’izany.

Niarahana niasa tamin’ny kaominona Ambohimanambola sy ny fokontany Ampahimanga moa ity hetsika ity. Niisa 12 ireo ekipa nandray anjara tamin’izany, tao ny Ambomangakely, Alasora, Manankambahiny sy ny maro hafa. Natao ity fifaninana ity mba hanandratana hatrany ny taranja foty baolina ary efa eo an-dàlam-pikarakarana ny fifaninana manaraka indray ireo tompon’andraikitra. Mitohy hatrany moa ny fisoratana anarana ho amin’izany fifaninana vaovao izany indray.

Famenontsoa Rajerison

Laisser un commentaire