Ambohimanambola : Napetraka ny vidin’ny rano eny amin’ny paompy
Nisy ny fivoriana izay niarahan’ny lehiben’ny distrika Avaradrano, ny ben’ny tanàna, ny mpanolo-tsaina fito, ny minesteran’ny rano sy fandiovana ary fidiovana ny 12 aogositra lasa teo.
Tapaka tamin’izany fa mijanona ho 2 000 ariary ny metatra tora-telo ho an’ireo toerana azon’ny besinimaso hakana rano (bornes fontaines), ary 3 000 ariary kosa isaky ny metatra tora-telo ny vidin’ny rano ho an’ireo mampiditra rano any an-trano na (branchements particuliers). « Raha oharina min’ny vidiny teo aloha izany dia misondrotra 1 000 ariary izany » hoy i Lova mponina eny an-toerana. Marihina fa nanomboka ny 12 aogositra, tao aorian’ny fivoriana, dia efa nihatra avy hatrany ity fisondrotan’ny vidin-drano ity raha maro tamin’ieo olona ny alarobia 17 aogositra 2022 vao tena nanomboka nampiatra izany. Natao izany ho fikajiana ny kalitaon’ny rano izay mbola mampitaraina ny mpanjifa.
Famenontsoa Rajerison
