CultureTatitra

Tibet : Afaka manambady lehilahy maro ny vehivavy iray

Ny « polyandrie » dia fifanarahana ara-panambadiana izay ahafahan’ny vehivavy manambady maro. Ao Tibet dia mpirahaly ireo vadin’ny vehivavy iray ireo matetika. Izany tranga izao no antsoina hoe « polyandrie fraternelle ». Rehefa miteraka io vehivavy io dia manan-jo tsy hilaza ny rain-janany mba tsy hisian’ny fifandirana ao anivon’ny fiankaviana. Mety tsy ho fantany tsotr’izao ihany koa nefa rain’izany zaza izany.

Rehefa tafiditra tao Tibet ny repoblika nentim-bahoakan’i Chine dia tsy niova ny rafitra ara-politika tamin’ny faritra maro. Ny taona 1981 vao nandrara ny fanambadiana maro ny governora tao an-toerana manoloana ny lalàn’ny fianakaviana. Voarara noho izany izany fomba fanao izany saingy bla misy ireo faritra ambanivohitra manao izany amin’izao fotoana.

Laisser un commentaire