Seychelles : Tokana ihany ny anjerimanontolo ao an-toerana
Ny « Université des Seychelles » irery ihany no sekoly ambaratonga ambony ao Seychelles. Ao Victoria, renivohitry ny nosy no misy azy. Niorina tamin’ny 17 septambra 2009 ny sekoly ary misy « campus » telo : ny « campus » fototra ao Anse Royale, ny campus Mont Fleuri ho an’ny fampianarana momba ny fanabeazana, ny serasera ary ny teknolojia ary ny campus Ma Joie misy ny toeram-pianaram-pitantanana.
Ny filoha tao an-toerana taloha, James Michel kosa no tompon’andraikitra ny toerana.
