Dubaï : Deep Dive Dubai, dobo filomanosana lalina indrindra
Ny « Deep Dive Dubai » ao Dubaï, manana halalina 60,02 metatra no voafaritra ho dobo filomanosana lalina indrindra eran-tany. Ny Deepspot tao Pologne nirefy 45 metatra no nitondra izany anarana izany teo aloha.
Rano 14,6 tapitrisa litatra no fatran’ny ranon’ny dobo nasiana fakantsary mpanaramaso 56 sy « haut-parleur » maromaro ary jiro miisa 150 izy raha toa ka misy ny loza. Misarika mpizaha tany sy olo-malaza maro io dobo io izay miendrika tanàna rendrika. Misy fitaovana hita amin’ny fiainana an-davan’andro maro ao anatiny, hatramin’ny toeram-pivoahana.
Lehibe araky ny habeany ihany koa ny saram-pitsidihana io dobo filomanosana io manomboka amin’ny 500 hatramin’ny 1 500 dirhams izany.
