ActualitésTatitra

Comores : Mwali, nosy tranainy indrindra amin’ireo vondronosy ao an-toerana

Mwali dia sady fanjakana federalin’ny fivondronan’i Comores no iray amin’ireo nosy efatra fototra mivondrona ao aminy. Ao amin’ny ranomasimbe Indianina eo amin’ny fidirana avaratry ny lakandranon’i Mozambique no misy azy.

Kely indrindra amin’ireo nosy mandrafitra an’i Comores i Mwali fa be mpitsidika indrindra ihany koa. 53 360 ny isan’ny mponina ao raha ny antontanisa tamin’ny taona 2015. Fomboni kosa no renivohiny ary mampiantrano karazam-piaviana sy foko maro toy ny amin’ireo nosy hafa izy. Ahitana Malagasy ao aminy, Bantoue, Arabe, Malaise ary Européen. Tokana kosa ny finoana iraisan’ireo dia ny finoana silamo.

Manana tany tanimanga mazaka rano maro i Mwali. Manan-karena torapasika hanatodizan’ireo fano ihany koa izy.

Laisser un commentaire