Rwanda : Kafe Ngororero, vokatra iray mampiavaka ny firenena
Tsy firenena mpamokatra kafe lehibe indrindra eto Afrique i Rwanda saingy anisan’ireo manana vokatra tsara indrindra. Nandritra ny taona maro dia ny fanjakana no nandamina ny famokarana kafe tao amin’ny firenena izay natokana kokoa ho an’ny fanondranana. Tsy nanjifa kafe firy vahoaka ny tao an-toerana.
Niova nefa izany tao anaty taona vitsivitsy. Anisany niteraka izany fanovana izany ny kafe Ngororero izay miavaka. Ao amin’ny lemaka sy ny havoan’i Rwanda no maniry ny Ngororero, amin’ny toerana voadidina ala eo amin’ny havoana 1 600 m hatramin’ny 2 000 m eo ho eo. Nanao fampitahana io kafe io tamin’i kafe hafa ireo mpanam-pahazaina momba ny kafe (maître-torréfacteur) ary nanazava fa « fruité » kokoa ny Kafe Ngororero, voafetra ny fihazonany siramamy (teneur en sucre) ary marikivy kokoa.
