SocialTsidika

Alasora : Manentana ny hanefana ny hetra trano 2020 ny kaominina

Hisy ny fizarana ny taratasin’ketran-trano tamin’ny taona 2020 ao amin’ny kaominina Alasora. Ny avy ao amin’ny « Quartier mobile » no hanatanteraka izany, izay hitondra karatra famantarana azy ireo.

« Handalo eny amintsika ireo quartier mobile hizara ireo taratasin-ketratrano tamin’ny 2020. Hitondra badge famantarana azy izy ireo. Miangavy antsika handray azy ireo » hoy ny avy ao amin’ny kaominina. « Manantena ihany koa izahay ny fanefantsika ny anjara hetrantsika. Ny fanefana iznay manko no lalana voalohany ho entina mampandroso ny tanàna iombonana » hoy hatrany izy ireo.

Ny fahazotoana mandoa hetra tokoa dia fandraisana anjara mivantana ataon’ny vahoaka amin’ny fampandrosoana. Tsara raha manefa ny adidintsika isika ho antoky ny fampivoarana.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire