Manakara : Manomboka ny fanamboarana ny tetezan’i Manakara-be
11 Jolay, 12h 30 Manomboka ny asa fanamboarana ny tetezan’i Manakara-be, izay mirefy 152 metatra. Efa tany amin’ny taona 2011 io tetezana io no rava. Nijery ny fandrosoan’ny asa tany an-toerana ny minisitry ny Asa Vaventy Hatrefindrazana Jerry sy ireo delegasionina avy eto anivon’ny minisitera.
Nanamarika ny tenany nandritra izany fa mba hampirindra tsara ny fifamoivoizana dia tetezana mahazaka fiara roa mifanena (double voie) no hapetraka, raha toa ka fiara tokana izany ny teo aloha. Ny orinasa WIETC no tompon’andraikitra amin’ny fanamboarana io foto-drafitr’asa io.
