Nigéria : Aliko Dangote, lehilahy manan-karena indrindra aty Afrique
Teraka ny 10 aprily 1957 tao Kano, ao avaratr’i Nigéria i Aliko Dangote. Mpandraharaha ny tenany ary olona manan-karena indrindra aty Afrique izy.
Efa nanan-karena hatramin’izay ny fianakavian’i Aliko Dangote. Mpanondrana voanjo goavana ny rainy, Mohammed Dangote. Rehefa tsy teo intsony izy ny taona 1965 dia ny raibeny avy amin’ny reniny Sanusi Dantata, zanak’i Alhassan Dantata izay noheverina ho lehilahy manan-karena indrindra tany Afrique andrefana tamin’ny androny no nandray an-tanana azy.
Io raibeny io no nampianatra azy paikady teo amin’ny tontolon’ny fandraharahana. Nahazo tosika tamin’ny fianakaviany foana i Aliko Dangote. Tamin’ny izy niditra teo amin’ny tontolon’ny fandraharahana voalohany tany amin’ny taona 1977 dia novatsian’ny dadataoany 500 000 Nairas ary nomen’ny raibeny simenitra 3 fiara sy fampindramam-bola naverina tao anatin’ny roa taona.
Manana orinasa maro izy ny Dangote Cement, mpamokatra simenitra, ny Dangote Sugar, mpamokatra siramamy, ny NASCON (National Salt Company of Nigeria), mpamokatra sira ary ny DFM (Dangote Flour Mills) mpanodina lafarinina.
Hasina Rasamimanana
