Chine : Firenena mpamokatra vary indrindra tamin’ny taona 2021-2022
Raha ny antontan’isa navoakan’ny Statista Research Department ny volana martsa teo dia i Chine no firenena mpamokatra vary betsaka indrindra ny taona 2021-2022. Manana taham-pamokarana mihoatra ny 148 tapitrsa taonina izy ireo. Manarakaraka azy ao kosa i Inde, Indonésie ary Bangladesh.
I Chine ihany koa nefa no mitany ny laharana voalohany amin’ny fanjifana vary eran-tany taona 2021-2022. Manodidina ny 154 tapitrisa taonina izany tao anatin’io vanim-potoana io.
