Sabotsy Namehana : Notokanana ny kianja synthétique ho an’ny baolina kitra
Notokanana tamin’ny asabotsy ny kianja vaovao ao amin’ny kaominina Sabotsy Namehana. Kianja hilalaovan’ny olona 7 ho an’ny mpankafy baolina kitra izy ity, izay avy amin’ny fanjakana.
« Misaotra ny fiadidiana ny repoblika ny tenako. Sady mampandroso ny tanàna tokoa ny toy izao no manome fahafinaretana ny mpilalao baolina kitra eto amin’ny kaominina Sabotsy Namehana » hoy ny ben’ny tanàna ao Sabotsy Namehana. « Tena nahazo endrika mahafinaritra ny tanànan’i Sabotsy Namehana. Antenaina fa hiroborobo hatrany ny fahazoton’ny tanora amin’ny alalan’ny fanatanjahan-tena » hoy i Tanjona, mponina ao Sabotsy Namehana.
Misy toerana azo hijanonan’ny fiara ihany koa ao anatin’ity fotodrafitr’asa ity. Azo hilalaovana amin’ny alina ihany koa io kianja io.
Nicole Rafalimananjara
