ActualitésTsidika

Ambohimanambola : Tsy mbola nisy fiovana akory ny vidin-drano

Niparitaka ny feo tao Ambohimanambola fa hiakatra ny vidin-drano. Nilaza ny avy ao amin’ny kaominina Ambohimanambola fa tsy misy ny fiovana amin’ny vidin-drano hatreto.

« Mbola tsy misy ny fiovana amin’ny vidin-drano ho an’ireo mpanjifa rano eto amin’ny sampan-draharaha misahana ny rano eto amin’ny kaominina. Mbola tsy misy fanapahan-kevitra navoaka ho amin’izany » hoy ny avy ao amin’ny kaominina Ambohimanambola. « Ny rano no fototry ny aina. Ny rano indray no vidiana lafo. Hirariana tsy hisy io fiakaran’ny vidin-drano io fa efa sarotra loatra ny fiainana sy ny fivelomana » hoy i Faneva, mponina ao Ambohimanambola.

Marihina fa hisy ny fivoriana ho atao ao ami’nny lycée taloha Ambohimanambola ny 18 jona 2022. Fotoana io handinihana mikasika rano, izay iarahana amin’ny mponina.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire