ActualitésTsidika

Imerina : Nisy ny fomba narahina raha te hampirafy ny lehilahy

Nalalaka tanteraka ny fampirafesana taloha, ka nahazo nampirafy daholo ny lehilahy Merina, na tanora na antitra. Azon’ny lehilahy atao ihany koa ny maka ny zanany ho rafy mba hiterahany. Tsy ny zanany naterany akory fa ny zanak’anadahy na zana-drahavavin’ny vadiny no alainy. Amin’ireo vadin-dRalehilahy, izay mahay mifanaraka dia miray trano, ary raha tsy mahay mifanaraka kosa izy ireo dia samy hanaovana trano. Amin’izay kosa dia ny lehilahy ihany no miantoka ny hanina ho hanina, ny trano hitoerana, ny lamba hitafiana sy izay ilainy.

Ny fampiakarana rafy dia natao malaza sahala amin’ny fampiakaram-bady ihany. Iantsoana havana, ny namana sy ny fokonolona; ary misy famonoana omby sy fihinanambe mihitsy aza.

Ny fomba fanao amin’ny fampiakarana rafy no atao hoe « Fifahitana » sy « Taha ». Ny Taha dia karazana fanomezana omena ny vadibe, ho takalon’ny fampirafesana atao aminy. Misy manome andevo, ao ny manome vola, omby, tanimbary arakarak’izay ifanarahan’izy mivady. Tena misy adivarotra be mihitsy amin’io. Raha mbola tsy notahana ny vadibe dia tsy azon’ny lehilahy atao mihitsy ny mampirafy na dia te hampirafy mafy aza izy. Tsy maintsy tahana toy ny natao tamin’ny vadibe teo aloha daholo koa ny rafy rehetra na tonga hatramin’ny 10 aza. Ary izay efa vita taha tany aloha dia vidim-pandriana sisa no omena azy isaky ny misy rafy vaovao.

Marihina fa tsy maintsy miera amin’ny vaidny ny lehilahy vao afaka mampirafy.

Herimalala Ratsimbazafy

Laisser un commentaire