Timidité
Olona be ahiahy, tsy mahatsiaro tena milamina (en sécurité) eo anatrehan’ny olona hafa ny olona « Timide ». Mamaritra fisitahana goavana amin’ny hafa ny « Timidité ». Tsy mitovy noho izany ny olona « timide » sy ny olona « réservé ».
Ny « timidité » dia mamaritra fiahiahiana amin’ny manodidina, mamaritra tsy fahasahiana sy tsy fahatokian-tena. Ny olona « réservé » kosa dia olona tsy tia sehoseho, olona mbola maka fotoana hanam-pahan-hevitra sy misalasala amin’izany omeny ny fahatokisany.
Raha lasa fomba fiaina amin’ny fiainana an-davanandro kosa ny « timidité » na hasarotan-kenatra dia lasa rarin-tsaina manova ny toetran’ny olona iray hany ka lasa aretina antsoina hoe « timidité maladive » izay mitarika io olona io tsy hifandray amin’ny hafa intsony.
Miankina amin’ny toetra sy ny tontolo iainana ara-tsosialin’ny olona iray kosa no mampiseho na tsia ny « timidité ». Mety miankina amin’ny zavatra niainana na fikorontanana sy ny lasa iohany koa nefa izany.
