Ambohimanambola : Jery todika ny fizotran’ny tetik’asa « Rafim-pitantanana ny fako vaovao sy mahomby »
Tontosa tamin’ny alarobia ny fanaovana jery todika sy fanaraha-maso ny fizotran’ny tetik’asa « Rafim-pitantanana ny fako vaovao sy mahomby » tao amin’ny kaominina Ambohimanambola. Isan’ny manaporofo ny fandrosoan’ny tanàna iray tokoa manko ny fahadiovany.
« Tsy ny fako ihany no mandoto ny tanàna fa ny toe-tsaina ihany koa. Miankina amin’ny tsirairay izany » hoy ny tompon’andraikitra avy amin’ny sampana Rano Fanadiovana Fidiovana. « Safidy ny fandrosoana. Safidin’ny tsirairay izany. Tsy misy ny fandrosoana raha tsy misy ny fahatongavan-tsaina. Zava-poana ny tetik’asa raha tsy resy lahatra ny mponina izay iompanan’ny tetik’asa iray » hoy i Tamby, manam-pahaizana mikasika ny fandrosoana lovain-jafy.
Tafiditra ao anatin’ireo firenena maloto i Madagasikara. Raha samy mandray andraikitra ny isam-batan’olona dia handroso ny firenena.
Nicole Rafalimananjara
