France : Manomboka ny asa fandravana ny Stocamine ao Alsace
Natomboka ny asa fandravana ny Stocamine, foibe fitahirizana fako amban’ny tany mampidi-doza ao Wittelsheim ao Alsace. Mitahiry fako maherin’ny 42 000 taonina « non-radioactifs ». io toerana io ka nefa natomboka ny fandatsahana ny simenitra tao aminy.Fikambanana miaro ny tontolo iainana maro, olom-boafidy, vondrom-piarahamonina, olom-pirenena maro no miampanga ny loza ateraky ny fahalotoan’ny rano ambanin’ny tany (nappe phréatique) avy amin’io toerana io. Maniry ny haniboka ireo fako ao ambanin’ny tany ireo izy ireo manolona izany. Tetikasa heverina hanomboka ny faran’ny volana mey izao raha ny voalazan’ny Minisitry ny Tetezamita ekolojika ao an-toerana Barbara Pompili. Maniry ny haniboka ireo fako ireo farany izay haingana ny governemna hoy izy mba hiantohana ny fiarovana ny mpiasa sy ny fiarovana maharitra ny rano.
