MPPSPF : Nivory ny fivondronan’ireo mpiantsehatra eo amin’ny fiahiana ara-tsosialy eto Madagasikara
10 May, 10h00. Fameloma-maso ny fivondronan’ireo mpiantsehatra eo amin’ny fiahiana ara-tsosialy eto Madagasikara izay teraka tamin’ny 30 jiona 2016 no natao omaly. Tanjon’ny vondrona ny fandrindrana ny asa, ny fifanakalozan-kevitra, ny famahana ireo olona mety hitranga eny ifotony ka ireo tompon’andraikitra isan’ambaratongany misehatra amin’ny fiahiana ara-tsosialy manerana ny Nosy no hita ao amin’izany. Tafiditra ao anatin’ny vinavina enti-manavao ny Paikady nasionaly ho an’ny fiahiana ara-tsosialy izany.
