Lavanila maitso : Tsy tokony amidy latsaky ny 250 dolara eo amin’ny tsena iraisam-pirenena
Nivaly ny fangatahan’ny mpamboly lavanila tao amin’ny faritra Sava raha nanao taratasy misokatra ho an’ny tompon’andraikitra isan-tsokajiny izy ireo ny herinandro lasa teo.
Nangataka ny famerana ny vidin’ny lavanila izy ireo ka noferan’ny fanjakana ho 75 000 Ar ny vidiny ambany indrindra ivarotan’ny mpamboly ny iray kilao amin’ny lavanila maitso. Nisy ny fakan-kevitra ifotony tamin’ireo mpamboly tamin’izany ary hanao ny andraikitra tandrify azy ny Filankevi-pirenena momba ny lavanila (CNV).
« Tsy tokony hisy ny mpandraharaha hivarotra ny kilaon’ny lavanila latsaky ny 250 dolara eo amin’ny tsena iraisam-pirenena », hoy ny Minisitry misahana ny Varotra, Razafindravahy Edgard, nanoloana ireo mpandraharaha mpanondrana, mpividy sy mpikarakara, mpanangom-bokatra ary mpamboly lavanila.
Hasina Rasamimanana
