Anjeva Gara : Hisy ny tournoi Mafy Be Basketball
Hotontosaina ny 28 sy 29 may izao ny tounoi Mafy Be Basketball ao amin’ny kaominina Anjeva Gara. Miantso ireo tanora liana amin’izany ny tomppon’andraikitra izay eo ambnay fiahian’ny kaominina hatrany.
« Tsy ny baolina kitra irery no tena mila fampiroboroboana fa eo ihany koa ny Basketball. Tsy visty ireo tanora liana amin’izany eto Anjeva Gara. Tena mahavelom-bolo ny mahita ireo tanora mankafia fanatanjahan-tena » hoy i Benoît, raim-pianakaviana monina ao Anjeva Gara. « Ety amin’ny CEG Anjeva Gara no hanatanterahana ny lalao. Mbola mandray ny anaran’ireo liana izahay. Marihana fa Ondry no amboara hiadiana amin’io » hoy ny mpikarakara.
Miroborobo tokoa ny fanatanjahantena eto Avaradrano. Betsaka ireo tanora liana amin’izany ety an-toerana. Manampy betsaka amin’ny fitaizana ny tanora tokoa manko ny fanatanjehan-tena.
Nicole Rafalimananjara
