Makis de Madagascar vehivavy : Nigadona teto an-tanindrazana alina
04 May, 13h00. Tao aorian’ny lalao izay natrehin’izy ireo ka nahatafiakatra azy ho any amin’ny fiadiana ny tompon-daka eran-tany amin’ny baolina lavalava lalaovin’olona fito eo amin’ny sokajy vehivavy dia nigadona teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato, alina tamin’ny 11 ora ireto mpilalaon’ny Makis vehivavy sy ireo delegasionina niaraka taminy. Mitohy anio alarobia 04 mey etsy amin’ny Kianja Maki Andohatapenaka ny fandraisana ireto farany. Araka ny fandaharam-potoana ary anio ihany koa handraisan’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina azy ireo eny amin’ny Lapam-panjakana eny Iavoloha.
