Fizahan-tany : Hisy ny fitsidihana an’Ambohimanga
Mikarakara tontolo andro hitsidihana an’Ambohimanga sy ireo toerana manan-tantara eny amin’ny manodidina ny Autochtone Tour Madagascar. Hotontosaina ny 14 may ho avy izao izany.
“Matetika mahamaika ny tanora ny ho any ivelany hijery ireo toerana malaza. ye to an-toerana anefa mbola tsy hita akory. Ny vahiny indray no mankafy mialoha ny tontolo eto amin’ny tanintsika. Tsara anefa ny mahalala toerana indrindra ny tantara” hoy I Velohasina, mpianatra mikasika ny fizahan-tany eny amin’ny Oniversiten’Antananarivo. “Hitsidika ireo toerana manan-tantara isika amin’io andro io satria I Ambohimanga tokoa no toerana nanjakana sy nahalehibe an’Andrianampoinimerina. Eo ihany koa i Soavinandriamanitra izay toerana fiafenan’io mpanjaka io amin’ny fahavalony. Azontsika rehetra atao ny mandeha amin’izany izay misoratra anarana mialoha. Mirary ny saram-pandehanana ary natao ho zakan’ny rehetra » hoy ny mpikarakara.
Efa toerana fizahantany malaza ireo toerana manan-tantara ireo. Tombony lehibe eo amin’ny ara-toe-karena izany, ary antenaina ho betsaka ireo mpitsidika.
Nicole Rafalimananjara
