Ambatondrazaka : Fiara sprinter iray no nifandona tamin’ny mpitondra bisikileta
03 May, 12h00. nNisehona lozam-pifamoivoizana omaly tany amin’ny làlana Ambalavato Atsinanana Ambatondrazaka, tamin’ny 09 ora. Fiara sprinter iray no nifandona tamin’ny olona nitondra arina (charbon) tamin’ny bisikileta. Raha ny filazan’ireo nanatri-maso dia nandeha mafy io fiara io, ka tsy nahita ilay olona nitondra bisikileta. Nahay niala anefa ilay mpitondra arina ka avotra soamantsara. Marihana fa tsy nisy ny naratra ary tsy nisy ihany koa ny aina nafoy.
