Toliary : Nanomboka omaly ny hetsika famafana faobe
03 May, 11h00. Natomboka omaly ary ho tanterahina mandritra ny 3 andro ny famafana faobe ny tanànan’i Toliary. Natao izany ho fanadiovana ny takaitra navelan’ny rivodoza Jasmine. Olona miisa 1000 isan’andro no hirotsaka an-tsitrapo hanadio amin’izany. Mitohy androany ny hetsika ary hifarana rahampitso.
