ActualitésTatitra

France : Nidina ny tahan’ny olona tsy an’asa

Nahitam-pihidinana goavana ny tahan’ny olona tsy an’asa ao France nanomboka ny volana janoary teo. Tao anatin’ny telo volana voalohany dia nahatratra 5% izany taham-pihenana izany raha ny antontan’isa navoakan’ny departemantan’ny fandrindrana ny fikarohana, ny fianarana ary ny statistika voarakitra ao an-toerana.Ao anatin’ny vondrona A (sans activité) ireo olona 5% ireo. Nanamafy ny ministeran’ny asa fa nihena 169 100 tamin’ny 3,193 tapitrisa ireo olona tsy an’asa voarakitra. Tao anatin’ny herintaona dia 15,7% ny fihenananny tsy an’asa hita (600.000 olona), raha miaraka amin’ny vondrona B sy C kosa dia 8,2% izany.

Laisser un commentaire